Manomboka androany (Othniel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hitako intsony izay holazaina
Fa ny foko izao no manaintaina
Ohatran'ny tsy mino foana ny saina
Dia lasa ve ilay menaky ny aina!

Ilay zaza tiako sady naterako
No indro nandeha talohan'ny tenako
Izaho tokony alevina indray no mandevina
Marary re izao fa tena tsy afenina

Raim-pianakaviana aho ka mila mahery
Tsy aseho be ny manodidina izato fery
Malemy aho izaho ary tsy manana tanjaka
Mafy dia mafy loatra izany ilaozan-janaka

Veloma ry zanako malala tsy foiko
Misy toerana ho anao foana ato am-poko
Ary ny fitiavako anao dia tsy mba hiova izany
Na dia tsy ho hitako intsony aza ianao manomboka androany
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Othniel
Nampiditra : othniel
Daty : 07/09/2013 17:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027