Natao ho ahy (Othniel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao no ambarako aminao androany
Ianao no tiako indrindra eto an-tany
Ny vehivavy hafa tsy asiako sira akory
Eo anilanao foana aho;na faly ianao na ory
Eo aho no te hatory ary eo koa no te hifoha
Tsoriko ny marina fa efa tena lasanao ny fo
Efa lasanao ny vatana;efa anao koa ny saina
Vao tsy mahitanao kely dia marary ny aina
Faly tokoa aho raha ianao no ho vadiko
Any am-piangonana;hataoko aminao ny voadiko
Hovelomiko ianao toy ny mpanjaka kely
Ny fiainanao hototofako ronono sy tantely
Hanompo anao sy hanaja anao mandrakizay
Satria izaho mino fa ianao ilay natao ho ahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1052 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Othniel
Nampiditra : othniel
Daty : 07/09/2013 13:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156