Mialà any ry mpangataka! (Othniel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba olombelona tahaka anao ihany aho re tompoko
Fa ny vola no tsy eo an-tanako ary ny kiraro no tsy eo an-tongotro
Akanjo maloto sy rovidrovitra foana no eny an-koditra
Mangatsiaka lalandava ka izany no mahatonga ahy mangovitra
Manafana tena akaikin'ny afo;fakofako no mba sakafo
Tsy mahavidy vary sy laoka satria tsy mitsahatra miha-lafo
Rano maloto no fisotro;ny fahantrana no mitrotro
Tsy mba voatsabo ity zazakely mararin'ny kitrotro
Amoron'ny daba-pako no manorina tranotrano tsy misy tafo
Ny volo tsy mibango fa mikorontana sy misarakorako
Afangaronao amin'ny olona adala aho indraindray
Tsy adala aho fa ny vola fotsiny no mandositra ahy
Ianao koa aza mandositra ahy rehefa mifanena eny an-dàlana
Hoy ianao hoe:"Mialà any ry mpangataka !"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Othniel
Nampiditra : othniel
Daty : 07/09/2013 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141