Hevitra momba ny Aoka ianao ...

Hiverina amin'ny Aoka ianao ...
raozigasy ( 23/03/2006 22:17)
Aoka izy

Raha nandalo teo izy
Dia ho nanafatra ny ankizy
Hoe nanento hatrany an’orony
Ilay fofonao fanorokorony

Raha nandalo teo izy
Mety koa ho krizy
Fa nanantena hahita anao
Nefa ianao lasa nandao

Raha nandalo teo izy
Dia efa hainy fa tsy izy
Ilay fantatrao no tonga tao
Fa efa izy vaovao

Raha toa izy ka nandalo
Mety ange nitondra kalo
Na nitondra tsiky hafa
Hamerenana ny tafa

Raha toa izy ka nandalo
Tsy tonga toy ny fahavalo
Fa nitondra saina fotsy
Sy tononkalo handrotsirotsy

….

Raha renao ilay fandalovana
Mety ange ianao torovana
Ka angamba mety hiverina
Raha tsy anio dia amin’ny heriny
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091