Aoka ianao ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mandalo izy androany,
Meteza ianao ry diam-peniko
Hampahatsiaro azy indray
Ny alahelo tsy nafeniko.

Raha mandalo izy androany,
Dia aoka ianao ry tandindoko
No hovantaniny ato an-trano,
Hanolotra azy ireo fivimbiko.

Raha mandalo izy androany,
Dia ianao sisa ry sariko
No mety handefasany vinany,
Hitanisa ny toetra ratsiko.

Raha mandalo izy androany,
Dia ny akonao sisa ry feoko
No handrotsirotsy ny fanahiny,
Na hampatsiahy azy ny hehiko.

...

Rehefa handalo eto izy mantsy ...
Izaho efa tapa-kevitra
Ka na hikiaka izy , hiantsoantso
Dia ho toy ny any an'efitra.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
1363 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 23/03/2006 22:17)
Aoka izy

Raha nandalo teo izy
Dia ho nanafatra ny ankizy
Hoe nanento hatrany an’orony
Ilay fofonao fanorokorony

Raha nandalo teo izy
Mety koa ho krizy
Fa nanantena hahita anao
Nefa ianao lasa nandao

Raha nandalo teo izy
Dia efa hainy fa tsy izy
Ilay fantatrao no tonga tao
Fa efa izy vaovao

Raha toa izy ka nandalo
Mety ange nitondra kalo
Na nitondra tsiky hafa
Hamerenana ny tafa

Raha toa izy ka nandalo
Tsy tonga toy ny fahavalo
Fa nitondra saina fotsy
Sy tononkalo handrotsirotsy

….

Raha renao ilay fandalovana
Mety ange ianao torovana
Ka angamba mety hiverina
Raha tsy anio dia amin’ny heriny
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 08/03/2006 16:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137