~~ FAHINY ~~ (R.A.A.Z.N)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
~~ FAHINY ~~



teo amin'ny andro farany
,ianao sy izy
niraikitra tao aminao ny anarany
tokatrano namafisin-ankizy



ilay rotsirotsy tsindry fe
nolanina eny amorompatana
tamin'ny andro farany tsy nahatsindry ilay fe
fa ilaina ho voafana amorompatana




tapitra teo ny fanalanazy
satry manery ny ankizy
tsindrin'ny adidy toy ny say
satria tsy maintsy atao ila izy



fa ny arivariva amorom-patana
,dia mifanohitra ny tamin'ny fahiny
satria efa ela nifampitantana
ka mifampitsotra tsy hanisy tsiny


(R.A.A.Z.N)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
701 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.A.A.Z.N
Nampiditra : zurahrakotonanahary
Daty : 24/11/2018 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135