Mitraka (R.J Prisco)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha resy ianao mitraka
Bajino ny lanitra
Bajino tsara
Fa eny Andriamanitra
Izy ilay tsy manary
Aminy ady sarotra
Izy no tena ray
Tsy mahafoy zanaka
Izy ilay nahitana
Masoandro
Sy ny kitana mamiratra
Izy no ivavaho isan'andro
Fa tompo tsy mamitaka
Ekeko fa mafy taminao izany resy izany
Fa ho mpandresy ianao rah mino azy
Fa aza mitomany
Mandehana ka mitraka hatrany
Fa izany ny eto antany
Madehana zory ny lalana tsara
Ary minoa azy fa ianao tsy ho very anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
379 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.J Prisco
Nampiditra : rafanomezantso
Daty : 20/09/2020 15:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014