You are here: home > Vetso

TSY SAHY - R.J Prisco

Azo vakiana?

Anatiny alina mangina
Mieritreritra an'olotina
F'iza loatra ianao
No mamp'jaly toy izao

Tsy mampatory alina
Fa mampifoha maraina
Mampiady mafy ny saina
Mankarary ny aina

Tsy ho vitako ny hanambara aminao
Hoe tia anao ry malala
Fa sao dia lavinao
Ka hah'lasa adala

Ka aleo koboniko ho ahy
'rery
Nefa toa tsy mety
Izay ary 'lay hafatra
Ka ataovy tonga lafatra

  R.J Prisco

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : R.J Prisco

Nampiditra : rafanomezantso
Daty : 22/05/2020
Mpamangy : 70
Mankafy : 1