Andro, Volana, Taona (R.N.Judie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro
Ny fitamabarako no manome anao ry volana
Koa nahoana izaho no vesaranao olana
Izaho ve no kely loatra
Sa ianao no efa mivoatra

Volana
Tsy hoe za no ratsy saina
Fa ianao no be taraina
Tsy hoe za no ratsy toetra
Fa ny fotoananao no manam-petra

Taona
Oadray ity adinareo
Tena mila mankaleo
Isan’andro vaky izao
Dia ady foana no atao

Andro
Ny volana ihany no anton’izany
Jereo izato izy toa mananihany

Volana
Mangina eo ianao ry andro
Raha tsy teo koa angaha ny masoandro
Tsy toy izao mihitsy ianao
Ka mangina tsotr’izao

Taona
Nareo ve mafy be
Dia mila enjanina e
Za zay dia miteny raha tsy te hirenireny

Andro
Ianao koa ry taona
Aza dia minoanoana
Fa raha tsy nisy anay koa ianao dia foana
Ka ny vavanao ataovy mihaona

Volana
Za zany no anton’izany olana
Dia za mahita vahaolana
Aloe za no tsy misy
Dia ny adin-tsika tsy hisy

Taona
Za angamba no aloe hiala
Dia ny adinareo sahala
Za mantsy be tsy ahoana
Tsy ilaina zany ny taona

Andro
Aoka re r’izy roa
Isika telo dia ilaina avokoa
Ary samy manna-danja
Koa aoka samy hifanaja


R.N.Judie (18/04/2012)
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1389 0
Hevitra mandeha
hery ( 17/05/2012 11:25)
Aiza ny tononkalo ry Judie?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N.Judie
Nampiditra : R.N.Judie
Daty : 17/05/2012 09:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133