Ditra sisa (R.N.Judie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miangavy anao aho mba valio re ny teniko
miangavy aho vakio re ny diam-peniko
Diso fanantenana aho raha nilaozanao
ka "ditra sisa" no vokatr'izao

aza omenao tsiny aho raha ilaza izany
satria izany no etrakatrak'ny tany
izaho tsy ho anao, ianao tsy ho ahy
ka "ditra sisa" no atao mba tsy hamonoana ny fanahy

ianao anefa
toa lasa nilefa
nilefa tsy tana
tsy tana, lasana

ditra sisa no hany mba haiko
mba tsy hahafoizako ny aiko
dia miangavy anao aho aza omenao tsiny
noho iny antony iny

R.N.Judie
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
941 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N.Judie
Nampiditra : R.N.Judie
Daty : 18/05/2012 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144