Tsy anjara (R.N.Judie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sendra mba nandalo teo aho omaly
nientana ny foko indrisy toa tomany
nisoka moramora anefa ilay varavarana
nitodika aho! io ianao no mangarangarana

toa milaza indray ilay fiverenam-po
ilay fitiavana iray niombonan-tsika roa
kanefa! tsy anjara ny fiarahan-tsika
noho izany adinoy ireo efa vita

Moa ve adisoako raha ilaza izany?
Sa noho ianao no nahatonga ahy hitomany?
tsia, tsy adisoako,tsy adisoanao
ekeko fa tsy anjara tsotr'izao

R.N.Judie
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1595 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : R.N.Judie
Nampiditra : R.N.Judie
Daty : 18/05/2012 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092