Izy (Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« IZY »


IZY rehefa manome,
manome tsy misy tambiny.
Mahafoy be dia be,
tsy manontany izay ambiny.

IZY rehefa antsoina,
tsy mba hoe miavonavona.
Tsy mangataka fotoana,
Fa mihaino am-pitiavana.

Mbola IZY koa no nijaly,
Niaritra ny eso sy opa.
Nangirifiry sy narary,
Hamonjena anao mpanota.

Ary ianao raha mba antsoina !
Inona no ho avalinao ?
Mbola hangataka fotoana
sa hanaiky izao dia izao ?

Aoka anefa ho fantatrao,
Fa IZY no hitsara.
Izay rehetra vitanao,
Hotsahivina any am-para.

Fa iza ilay IZY e ?
Ny Tompo fa tsy iza.

…Tsoa
02 sept 2004,Tolbiac Fce
--------
Rohy:
1802 1
Mpakafy: vetsoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabemanantsoa toavina na i ...tsoa
Nampiditra : vetsoko
Daty : 24/03/2005 18:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141