Hevitra momba ny voafafa

Hiverina amin'ny voafafa
SIOKATOKANA ( 09/08/2011 08:11)
Tonga tany aho,hoe hitondra ny hafatrao
Nivonona hanambara,kanefa toa tsy sahy
Matahotra aho mantsy ka nanana ahiahy
Fa sao ahita loza @ ity hafatra vaovao

Ilay fiangavinao handainga mantsy dia noekeko
Hoe:efa nanadino azy ny fonao manontolo
Raha vao maheno izany,angamba izy hitangam-bolo
Ka ny ambik'afatrao ho voatelina fa ho farina ny feoko

Kanefa na izany, ho lazaiko ihany
Na dia ny sasantsasany fotsiny
Mba ho tonga ampototsofiny
Ireo hafatrao izay hampitomany

andry 1000 ( 02/05/2015 08:03)
SETRINY( valin'ny hafatr'i RADO)

TONGA NY HAFATRAO....

ho any ihany aho fa.....
handalo dia hiserana,
noho ny hafatrao,
hiezaka aho ny ho any,
raha azoko atao dia afeniko azy,
ireo fahorianao!!!

nandalo izao androany,
ka hitako izy tany,
ny endrika nasehony
hitako tsy faly,
fa zary toa nafeniny,
tanaty tsiky kely,
niampy hanihany,
tsiky tsy aminy fony,
kanefa... ny manodidina azy,
nilamina sy tony...

ao an'efitranony dia misy voninkazo,
fa ny lokony io?
tsy mavokely akory !!!
eo an-doha-fandriany :
dia misy sary iray
sarin'olon-tiany.... sarinao izay
f'ireo volofotsiny,
sy ketroketron'handriny
izay tsy hay nafeniny

dia nahitako fa....
toa tsy sambatra izy
ka na dia niezaka aza aho,
tsy hilaza ny aminao,
dia tsy tantiko intsony,
ny sento avy any ampony

ka dia nolazaiko azy,
f'ireo diarinao,
sy rakitry ny ela
dia voatahiry tsara,
fa tsy main'ny Adaoro,
nanampiako azy,
somary vazivazy
fa toy ny azy koa,
ny fahorianao,
dia tsiky no navaliny,
ka tsapako avy teo,
fa nihamaivana ny jaliny,

raha hifanao veloma,
dia henoy tsara :
f'izao no ambetinteniny...
tiany sy tsy foiny
tsy afaka imolony....
dia sary anankiray,
sy voninkazo mavokely,
no natolony ahy,

ary 'lay tanako,
nitondra ny hafatrao,
notazominy, nofikiriny,
ka napetrany mihintsy,
hikasika ny fony,
mba ho porofony,
zavatra kinasa,
tsy niala tao an-dohany,

ka voahy ny varavarana,
dia meteza aloha hitony,
ny ranomaso ajanony,

ny hitako aninkeheo,
dia iriny angamba...
ianao anilany eo.
k'aza mihambahamba
na miandriandry izany,
fa mandehana mihintsy,
aloha ianao mankany


02/05/2015 (ANDRY 1000)
tsouaiina ( 24/04/2016 16:55)
nefa ts manaiky anzni ny heritreritr ko
tsiorivalisoa16 ( 08/07/2016 19:51)
tena tsara mitsy lo e
joseclaudio ( 09/11/2016 08:09)
VAlin-kafatra ho an'i Rado
Marina ny anao. . .
,tena efa sambatra izy ,ary mihoatra ny anareo fahiny. . . !
lreto no tsikaritro,
anaporofoiko izany.
Raha noraisiko ny tanany,
araka ilay hafatrao
raha izahay nifanena,
dia tsapako avy hatrany,
moa tsy irony atao hoe lafatra.
Ny dian-tongotrany ary,
moa tsy ireny mila tsy hikasi_tany,
,dia ity koa, ao an'efitranony,
misy sarin'olona mihaingo,
mitantana azy anaty voaly,
moa tsy hasambarana miatomboka ety an-tany!
Eny, efa sambatra tokoa izy,
satria lay hiranao fikalony ,
efa lasa kanto mampifaly. . .
Ny tsapako aloha , dia
hadinony ianao. . .
fa saingy kosa, malahelo anao izy.

Marina ny anao. . .
,tena efa sambatra izy ,ary mihoatra ny anareo fahiny. . . !
lreto no tsikaritro,
anaporofoiko izany.
Raha noraisiko ny tanany,
araka ilay hafatrao
raha izahay nifanena,
dia tsapako avy hatrany,
moa tsy irony atao hoe lafatra.
Ny dian-tongotrany ary,
moa tsy ireny mila tsy hikasi_tany,
,dia ity koa, ao an'efitranony,
misy sarin'olona mihaingo,
mitantana azy anaty voaly,
moa tsy hasambarana miatomboka ety an-tany!
Eny, efa sambatra tokoa izy,
satria lay hiranao fikalony ,
efa lasa kanto mampifaly. . .
Ny tsapako aloha , dia
hadinony ianao. . .
fa saingy kosa, malahelo anao izy.
27 décembre 2014 •

joseclaudio ( 09/11/2016 08:11)
Iza Aho
Valin-kira ho an'i Rado

Marina ny anao. . .
,tena efa sambatra izy ,ary mihoatra ny anareo fahiny. . . !
lreto no tsikaritro,
anaporofoiko izany.
Raha noraisiko ny tanany,
araka ilay hafatrao
raha izahay nifanena,
dia tsapako avy hatrany,
moa tsy irony atao hoe lafatra.
Ny dian-tongotrany ary,
moa tsy ireny mila tsy hikasi_tany,
,dia ity koa, ao an'efitranony,
misy sarin'olona mihaingo,
mitantana azy anaty voaly,
moa tsy hasambarana miatomboka ety an-tany!
Eny, efa sambatra tokoa izy,
satria lay hiranao fikalony ,
efa lasa kanto mampifaly. . .
Ny tsapako aloha , dia
hadinony ianao. . .
fa saingy kosa, malahelo anao izy.

Marina ny anao. . .
,tena efa sambatra izy ,ary mihoatra ny anareo fahiny. . . !
lreto no tsikaritro,
anaporofoiko izany.
Raha noraisiko ny tanany,
araka ilay hafatrao
raha izahay nifanena,
dia tsapako avy hatrany,
moa tsy irony atao hoe lafatra.
Ny dian-tongotrany ary,
moa tsy ireny mila tsy hikasi_tany,
,dia ity koa, ao an'efitranony,
misy sarin'olona mihaingo,
mitantana azy anaty voaly,
moa tsy hasambarana miatomboka ety an-tany!
Eny, efa sambatra tokoa izy,
satria lay hiranao fikalony ,
efa lasa kanto mampifaly. . .
Ny tsapako aloha , dia
hadinony ianao. . .
fa saingy kosa, malahelo anao izy.
27 décembre 2014 •

loumich ( 02/10/2017 10:15)
mety hahafehy izany rehetra izany ilay hoe:
"tiako ianao no sady halako
fa mangidy koa no mamiko
fahavaloko malalako
samy anaranao raha amiko"

Ny saina no manao hoe aza atao fantany fa ny any am-po tsy miloaka manano hoe raha mba fantatrao mantsy...

ralmialy ( 26/09/2018 09:11)
Tena tsara zany tononkalo zany! Tiako be lay valin-kafatr'Ny Eja 2004
ralmialy ( 26/09/2018 09:12)
Tena tsara zany tononkalo zany! Tiako be lay valin-kafatr'Ny Eja 2004
rolandsaviorafanomezantsoa ( 06/11/2018 16:40)
zany no atao hoe ftiavana,
fohery ( 26/11/2018 08:44)
Tena mahafinaritra ilay tonokalo
sendratiana ( 08/01/2019 10:29)
tsar loatr ilay tononkalo
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124