Hafatra (Rado)
Nantsain'i Hery
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho any ianao, kanefa ...Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao, fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempoka ny aiko, tanatin'ny longoa
izay namandrihany ahy ...
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina
fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !
... Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-bonikazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila ...
... fa ny volofotsiko,
ny ketronketron'handriko
Afeno dia afeno !
Azonao izany ?
Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy !
Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an'efitranony : misy voninkazo
tsy maintsy mavokely ...
Eo an-doha-fandriany :
ny sarin'olon-tiany ... na iza n'iza izay"
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy ...
Izany no hafatrafatro
ka tazony tsara ... Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandrain'ny tànanao sy ny azy ...
Eny e ! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho ...
--------
Rohy:
Mpakafy:
Diamondra Sarobidy - kalalou - rainilola - TongaSoaG - s19andry5851 - rfanomezantoky - ambinintsoanafindra - ronisdorience - Haingotiana5 - randriasamson37 - rhjo - jimfy - fohery - hajarakotondrazaf - nasoaviniavofanorenaniaro - Tsiry Sung - ghammyandrianarisoa - Benditra - Antsa tononkalo.r - pisokody - aliasrmh - Masoandroko - Miah Alain - Nintsoa - tsitsi16 - ainamanoas2 - rajaonarimily - Tiakobe - joelhafatra - Fanhaiky - lonlee - manandrina - fedy - eloi15 - kinaoly - ikaretsaka - njivo - tsikikely - tsotra1 - booboo - nikopol - billabong - herimiampita - herick - tokinjaka - ratstare - katita - hery
Hevitra mandeha

aladin
(
15/04/2004 12:50)
toa mampalahelo be?dia tena tantaranao ve io?na izany na tsy izany, milay be le izy e!
mpanoratra ihany
mpanoratra ihany

hendry
(
23/04/2004 15:01)
tsara!

sarondrahona
(
14/05/2004 08:47)
SETRINY( valin'ny hafatr'i RADO)
Mipetraha aloha ianao
ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
fa henoy izay lazaiko :
Sombin -teny no voaraiko
vao handia ny tokonana,
Sady nanana fironana
Ho fari -piainana ambony;
ka tsy mihambahamba intsony,
fa miaina an -teny baiko
Sy ny "IALAHY", raha toa ka gasy
Ary sary an -taratasy:
Olon -droa misakambina
No tazako tam -baravarana
fa efa vita fianarana
Ity zatovo ilaharany
Eo an -doha - farafarany
Voninkazo mavokely
Toa mivolom -bolamena
No manatrika Jerena,
Ary sezan'olo -mihaja
No miampatra ao an'efiny
Sy ireo firavaka tinefiny
ka tsy nisy azo hidirana
Fa izao tody izao
Mba hitatitra aminao:
Tsy nisy tanana voaraiko
Tsy nisy teny mba nambarako,
Fa sambatra izy no fitsarako
Ka aza mihevitra azy intsony
Na hanembona izay tsy izy
fa efa tena sambatra izy
Ny mbola ho avy no andraso
Dia fafao ny ranomaso
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo.
Tél: 033 12 680 89 ( ora fiasàna ihany)
Dia misaotra betsaka RADO, tamin'ilay teny fanolorana tamin'ny TANAN -DAVA a !
Mipetraha aloha ianao
ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
fa henoy izay lazaiko :
Sombin -teny no voaraiko
vao handia ny tokonana,
Sady nanana fironana
Ho fari -piainana ambony;
ka tsy mihambahamba intsony,
fa miaina an -teny baiko
Sy ny "IALAHY", raha toa ka gasy
Ary sary an -taratasy:
Olon -droa misakambina
No tazako tam -baravarana
fa efa vita fianarana
Ity zatovo ilaharany
Eo an -doha - farafarany
Voninkazo mavokely
Toa mivolom -bolamena
No manatrika Jerena,
Ary sezan'olo -mihaja
No miampatra ao an'efiny
Sy ireo firavaka tinefiny
ka tsy nisy azo hidirana
Fa izao tody izao
Mba hitatitra aminao:
Tsy nisy tanana voaraiko
Tsy nisy teny mba nambarako,
Fa sambatra izy no fitsarako
Ka aza mihevitra azy intsony
Na hanembona izay tsy izy
fa efa tena sambatra izy
Ny mbola ho avy no andraso
Dia fafao ny ranomaso
SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo.
Tél: 033 12 680 89 ( ora fiasàna ihany)
Dia misaotra betsaka RADO, tamin'ilay teny fanolorana tamin'ny TANAN -DAVA a !

ronaldo09
(
18/05/2004 08:22)
Raha hoatra anao daholo ny olona mandroso soso-kevitra eto dia ,lafatra ity serasera ity .Ny tiako ho tenenina fotsiny amin'ity tonon kalo ity dia ny hoe raha manontany izy iangaviako ianao handinga indray mandeha ,ny mpanortra anefa eto efa hita fa ketoky ny jaly koa maninona moaraha lazaina ilay fahoriana

baboune
(
26/07/2004 13:21)
ity tononkalon-dRado ity no nahatonga ahy ho nankafy tononkalo.

nyeja
(
04/09/2004 06:27)
eny , tonga tany aho,
arak\'ilay hafatrao
tiako ambara mialoha
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao
...
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko ny hampita
ilay tananareo mba nifandray
na dia tsy mifankahita .
dia nifanatsafa teo
indro toa tsy hitahita
gina tsy nahaloa-peo
samy lasa visavisa
izy vahotra hanontany
izaho toa mihaino azy ihany.
raha ny teo andoha fandriany
eny nisy sary teo
dia ilay sarin\'olo tiany
nobanjininy avy eo
notondroiny tamin\'ny tananany
ka nampiany tsiky kely
ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .
izaho aloha tsy hamaly
fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao!
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao.
Ny Eja 2004
arak\'ilay hafatrao
tiako ambara mialoha
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao
...
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko ny hampita
ilay tananareo mba nifandray
na dia tsy mifankahita .
dia nifanatsafa teo
indro toa tsy hitahita
gina tsy nahaloa-peo
samy lasa visavisa
izy vahotra hanontany
izaho toa mihaino azy ihany.
raha ny teo andoha fandriany
eny nisy sary teo
dia ilay sarin\'olo tiany
nobanjininy avy eo
notondroiny tamin\'ny tananany
ka nampiany tsiky kely
ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .
izaho aloha tsy hamaly
fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao!
ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao.
Ny Eja 2004

andriary
(
10/11/2004 13:06)
dia samy hafa ny famitana iraka nataon' nyeja sy sarondrahona!
samy tsara
samy tsara

lasary
(
10/11/2004 17:59)
azafady andriamatoa
raha ny hamboko
de tsy tonga any aloha
fa aleo ho tsapany tsara
fa de sarobidy zany hoe malala
misaotra anao nampita hafatra
sady tena tonga lafatra
hanofy ratsy rahariva
ahatsiaro ireo efa nadiva
sambatrao fa tafita
ireo alaheloko
zay nentiko
hatrizay mino aho fa ho avy izy
ka amerina ireo efa rava izahay
raha ny hamboko
de tsy tonga any aloha
fa aleo ho tsapany tsara
fa de sarobidy zany hoe malala
misaotra anao nampita hafatra
sady tena tonga lafatra
hanofy ratsy rahariva
ahatsiaro ireo efa nadiva
sambatrao fa tafita
ireo alaheloko
zay nentiko
hatrizay mino aho fa ho avy izy
ka amerina ireo efa rava izahay

nani
(
22/11/2004 18:12)
lasary an ,koa efa tena mbola tia anie de tsy manana hambo zany tsony e ,

tissa
(
17/04/2005 14:19)
ra za alo de ataoko fantany mintsy za hoe mijaly noho ny aminy . ataoko mitatara mintsy le olona

rapisoukely
(
22/06/2005 19:50)
an,an aza atao fantany akory hoe mijaly ianao. Toy ny ahy dia efa tena ampy ampy ho ahy ny kapoaka mangidy entiko. Aleoko izy sambatra eo anilan\'izay tiany. Ny ahy fitia diso toerana.
Aza avela mbol ahanapotika anao be be kokoa izy.
Aza avela mbol ahanapotika anao be be kokoa izy.

Lov
(
10/07/2005 11:24)
Sambatra aho rehefa sambatra eo anilan'ny Tianay ilay notiaviko.

phyd
(
10/11/2005 12:08)
cet histoire est vraiment formidable et je l'adore

endrehina
(
16/04/2007 07:24)
tena mafy tokoa rehefa tena tia nefa tsy afa-manoatra fa aleo ary izy a sambatra eo akaikin\'izay tiany toy izay eo anilanao nefa tsy misy mangirana zay jereny aleo izy any dia mba afaka ianao e ny alahelo ve tsy hisy fa mba mampionon-tena e

lloyd
(
07/08/2007 13:30)
zany v?

cooper
(
14/10/2007 19:34)
io no tononkalon-dRado tena tiko indrindra. Mankasitraka an'i Rado ary mirary soa @ lafiny rehetra. Mpankafy hatrany hatrany

hasiniony
(
23/03/2011 12:16)
Narosoko ny resaka
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-Drado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanany
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho sakaiza!
Raha io notantarainy ny ketoky ny jaly
Nahazo an-Drado hatrany
Raha teo notanisainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Ary notondroiny ny sarin'olontiany
Tan-doha fandriany teo
Dia ilay sakaizan'ise fahiny
Ketraka aho leiroa
Dia nakaratoko iny ny varavaram-beny
Fa nitomany aho!
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-Drado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanany
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho sakaiza!
Raha io notantarainy ny ketoky ny jaly
Nahazo an-Drado hatrany
Raha teo notanisainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Ary notondroiny ny sarin'olontiany
Tan-doha fandriany teo
Dia ilay sakaizan'ise fahiny
Ketraka aho leiroa
Dia nakaratoko iny ny varavaram-beny
Fa nitomany aho!

hasiniony
(
23/03/2011 12:31)
Narosoko ny resaka
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-dRado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanako
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho leiro
Raha teo notantarainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Raha io notanisaina ny ketoky jaly
Nahazo an-dRado hatrany
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Lisy mavokely no tao anaty vaziny
Ary notondroiny ny sarin'olon-tiany
Tan-dohafandriany teo
Dia ilay sakaizan'i se fahiny tao ampiasana
Ketraka aho sakaiza, ary nankaratoko ny varavaram-beny
Fa nitomany aho!
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-dRado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanako
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho leiro
Raha teo notantarainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Raha io notanisaina ny ketoky jaly
Nahazo an-dRado hatrany
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Lisy mavokely no tao anaty vaziny
Ary notondroiny ny sarin'olon-tiany
Tan-dohafandriany teo
Dia ilay sakaizan'i se fahiny tao ampiasana
Ketraka aho sakaiza, ary nankaratoko ny varavaram-beny
Fa nitomany aho!

hasiniony
(
23/03/2011 12:37)
Narosoko ny resaka
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-dRado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanany
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho sakaiza!
Raha io notantarainy ny ketoky ny jaly
Nahazo an-Drado hatrany
Raha teo notanisainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Lisy mavokely no tao anaty vaziny
Ary notondroiny ny sarin'olon-tiany
Tan-dohafandriany teo, dia ilay sakaizan'i se fahiny
Ketraka aho leiroa, nanainga moramora
Dia nankaratoko iny ny varavarambeny
Fa nitomany aho!
Saingy nitsikiany ny lainga indray mandeha
Dia nanafatra izy ho tsy nahalala an-dRado
Raha tsy izaho nandany ny fotoanany
Io nampahatsiahy ny fifalian'i se
Ka ankona aho sakaiza!
Raha io notantarainy ny ketoky ny jaly
Nahazo an-Drado hatrany
Raha teo notanisainy ny momba ny diary
Nodorany hatreo, n'iza n'iza i se
Tankina aho leiro vao nolazainy hoe
i Rado farasisa, tavelam-bolofotsy anatin'ny longoa
Lisy mavokely no tao anaty vaziny
Ary notondroiny ny sarin'olon-tiany
Tan-dohafandriany teo, dia ilay sakaizan'i se fahiny
Ketraka aho leiroa, nanainga moramora
Dia nankaratoko iny ny varavarambeny
Fa nitomany aho!

Beloa
(
23/03/2011 14:47)
Setriny nataon'ny Mpanoratra iray izay:
Nanafatra ahy ianao
Rahateo izaho nikasa ho any
Tsy hoe nanam-baovao
Fa nanambolo ny embony
Voaraiko tambinany
Ela mantsy izay no tsy nihaonanay
Koa niezaka aho hankany
Dia hitako izy androany
Diako avy any izao
Ka soa fa ato ianao
Vao teo am-bavahady
Dia tsapako sahady
Ny vesa-pahanginana
Kotrehan’ny fonenany
Fonenana voavoatra
Sy voakenakenany
Hanahaka ny fony milamina sy tony
Dia tsiky nihafihafy
No avy dia natarany
Raha vao nitafitafy
Hivoha ny varavarany
Fa fihaonana nafana
Tafa sy korana
Resaka tsy vita
Mpinamana efa ela no tsy nifankahita
Ka dia mazava loatra raha toa nanararaotra
Anefa raha ny marina
Dia fihetsika namboarina
Nanafina ahiahy
Ny azy sy ny ahy
Tsy lasalasa ho azy
Toy ny mahazatra
Ny hehy sy vazivazy
Samy nankahatra
Nifaly tsisy anao
Fa fifaliana hosoka
Izay resaka natao
Toa mila hahasosoka
Ny anaranao daholo
Voasaina manontolo
Kanefa tsy voatonona
Izaho tsy dia nivonona
Ny hiresaka anareo
Izy rahateo
Mailo sy nitandrina
Andrao dia hifanandrina
Amin’ny hasarotan’ny
Vaikan-tsotasotan’ny
Fo isarangotan’ny
Lasa tsy mipody
Hitana an-tadimody
Ny rifatry ny fiainana
Ny azy ny fisainana
Nataony tsara fantina ny lasa hovisainy
Mba tsy hamelontselona ny ho avy antenainy
Ny diariny aza angamba
Efa nandrovitany takila vitsivitsy
Dia izay ireo nahabamba
Ny rahon-donilony
Tsy sitrany fa nisy
Ka tiany hodinganina
Toa satriny hitanina
Foroaham-pitiavana
Soroniny am-panahy
Mba hampandraiki-dresy
Ny hambo izay misahy
Misarika hanadino
Izy mbola mino
Mino ny masoandro fa misy maizim-bolana
Mino ny fihelin’ny rebirebin’ny olana
Mino ny fanafana vimbinin’ny fotoana
Mino ny fitiavany tsy ho faty antaranoana
Mino ny finoany tsy ekeny hirefarefa
Tany aho kanefa
Izaho tsy nanontany
Tsy niandry hoe hilazany
Fa fantatro avy hatrany
Minoa ianao izany
Ianao no tiany ho any!!
Nanafatra ahy ianao
Rahateo izaho nikasa ho any
Tsy hoe nanam-baovao
Fa nanambolo ny embony
Voaraiko tambinany
Ela mantsy izay no tsy nihaonanay
Koa niezaka aho hankany
Dia hitako izy androany
Diako avy any izao
Ka soa fa ato ianao
Vao teo am-bavahady
Dia tsapako sahady
Ny vesa-pahanginana
Kotrehan’ny fonenany
Fonenana voavoatra
Sy voakenakenany
Hanahaka ny fony milamina sy tony
Dia tsiky nihafihafy
No avy dia natarany
Raha vao nitafitafy
Hivoha ny varavarany
Fa fihaonana nafana
Tafa sy korana
Resaka tsy vita
Mpinamana efa ela no tsy nifankahita
Ka dia mazava loatra raha toa nanararaotra
Anefa raha ny marina
Dia fihetsika namboarina
Nanafina ahiahy
Ny azy sy ny ahy
Tsy lasalasa ho azy
Toy ny mahazatra
Ny hehy sy vazivazy
Samy nankahatra
Nifaly tsisy anao
Fa fifaliana hosoka
Izay resaka natao
Toa mila hahasosoka
Ny anaranao daholo
Voasaina manontolo
Kanefa tsy voatonona
Izaho tsy dia nivonona
Ny hiresaka anareo
Izy rahateo
Mailo sy nitandrina
Andrao dia hifanandrina
Amin’ny hasarotan’ny
Vaikan-tsotasotan’ny
Fo isarangotan’ny
Lasa tsy mipody
Hitana an-tadimody
Ny rifatry ny fiainana
Ny azy ny fisainana
Nataony tsara fantina ny lasa hovisainy
Mba tsy hamelontselona ny ho avy antenainy
Ny diariny aza angamba
Efa nandrovitany takila vitsivitsy
Dia izay ireo nahabamba
Ny rahon-donilony
Tsy sitrany fa nisy
Ka tiany hodinganina
Toa satriny hitanina
Foroaham-pitiavana
Soroniny am-panahy
Mba hampandraiki-dresy
Ny hambo izay misahy
Misarika hanadino
Izy mbola mino
Mino ny masoandro fa misy maizim-bolana
Mino ny fihelin’ny rebirebin’ny olana
Mino ny fanafana vimbinin’ny fotoana
Mino ny fitiavany tsy ho faty antaranoana
Mino ny finoany tsy ekeny hirefarefa
Tany aho kanefa
Izaho tsy nanontany
Tsy niandry hoe hilazany
Fa fantatro avy hatrany
Minoa ianao izany
Ianao no tiany ho any!!
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i Hery
Audio Player