Ravaina angamba (RahFitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravaina angamba Ilay tantara nokoloina hatrizay,
Ravaina na dia hoe" fitiavana tsy maty fa mivaivay"
Eto no tsotsoromamba hamaranana ity sangan'asantsika roa,
Nanoratra ihany isika, fa izay aloha no vita na marary izato fo

Ravaina angamba Ilay manda najoro hatry ny ela
Ravaina na dia hoe " nametraka tantara tsy azo avela"
Hifarana eto ny lalana niarahana, fa tojo sampanana,
Izaho hizotra iankavia ,dia ianao ihazo iankavana

Ravaina angamba fa tsy zaka raha lanjaina
Ravaina na dia hoe " ianao Ilay nolalaina "
Taperina hatreto, asina teboka amin'izay
Dia, Mankasitraka anao tamin'izay vita izay

Amiko ny tsiny e ! Raisiko na mangidy aza
Olondehibe nifanaiky isika, fa santria raha zaza
Ka aleo ho tapitra eto fa tsapa misy banga
Faranana ..................Ravaina angamba ??
--------
Rohy:
35 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RahFitia
Nampiditra : RahFitia
Daty : 11/03/2026 16:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115