You are here: home > Vetso

Zonao, zoko - Raim

Zonao ny miteny ny zavatra lazaiko
Zonao koa ny manana ny zavatra ananako
Zonao ny mahalala ny zavatra ato an-tsaiko
Zonao ny mahay ny zavatra hain'ny tànako.

Zoko ny mihira ny ventso kaloinao
Zoko ny mahita ny zavatra hitanao
Zoko ny mandre ny teny fandrenao
Zoko ny mandray izay eo an-tànanao.

Fa na inona manesika izato faniriako
Na inona manaitra ny fanirianao
Tsy zonao ny mitia ilay olon-tiako
Tsy zoko ny mitia 'lay olon-tianao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Raim

Nampiditra : rajaona
Daty : 09/11/2003
Mpamangy : 1673
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ny foko tomany
Ny tsiky
Tsy resy