You are here: home > Vetso

NOHEVERIKO... - Rainmbah

Azo vakiana?

Noheveriko fa volana hanazava ity ianao
Hay lay ali-maiziko iny maika aza takon-drahona
Nantenaiko mba handrobona saingy maina hatramin'ny taho,
Nantenaiko hitondra mamy, saingy indrisy tena vahona.


Nantenaiko ho masoandro hibalika va maraina,
Hanamaina ity akanjo mbola kotsan-dranomaso,
Kinanjo dia oram-batravatra izay nandena ny efa maina,
Rangotra hay no nentinao, izay nantenaiko hanafosafo.

Hevitra mandeha

hery (25/01/2009 00:16:27)

Ankafiziko.

Sao dia tokony mbola notohizana?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rainmbah

Nampiditra : RAINMBAH
Daty : 23/01/2009
Mpamangy : 840
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

IZY INY...
FAKA ... ITIAVANA
ANDRASO IZY
MIADY HO AN’NY TANINDRAZANA