You are here: home > Vetso

IZY INY... - Rainmbah

Azo vakiana?

IZY INY

Izy iny !
Toa torova sy kivy, fa mahatsapa fa mizotra amin’ny lalana tsy izy,
Izy iny, toa misaly sy mibaby fanenena,
Nefa tsy mahita intsony izay lalan-kiverenana.

Nefa izy iny !
Mbola manana fitiavana miavosa, tiana homena ny tontolo,
Saingy kosa,
Noho izy iny ! Toa torovana sy kivy, izay mahatsapa fa mizotra amin’ny lalana tsy izy,
Dia koboniny ny fony,
Ho entiny aiza ny fitivany ?
Ho entiny any an-koatra angamba raha izato fihazakazany.

RANDIAMAHERIMANANA Fanomezantsoa

Hevitra mandeha

endrika01 (11/07/2009 09:12:20)

Tsara kah!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rainmbah

Nampiditra : RAINMBAH
Daty : 18/04/2009
Mpamangy : 889
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

FAKA ... ITIAVANA
ANDRASO IZY
NOHEVERIKO...
MIADY HO AN’NY TANINDRAZANA