Ny fiainana - Rajaonarison Jean Edouard
Azo vakiana?
Ny zava boary eny an-tsaha,
Ny vorona an-tampo-tanety,
Toa fiainana tsisy mpiahy,
Jerena mirindra sy mety.
Tsy misy lalàna mifehy,
Na fitsipika, sanda hajaina,
Samy miady dia samy hajaina,
Manao'zay hitsimbinana ny aina.
Fa inona ny fizaran-taona,
Ny hatsiaka ary koa ny hafanana,
Ny habaka sy ny fotoana?
Ireny no santionaan-dalàna,
Sanda miahy ny tontolo,
Tsisy fiainana mandeha bontolo.
11/05/91.
Sokajy :
Tontolo iainana
Mombamomba
Mpanoratra : Rajaonarison Jean Edouard
Nampiditra : sipagasyDaty : 05/11/2003
Mpamangy : 2185
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Trondro kelyEmbona sy hanina
Soava dia