Soava dia - Rajaonarison Jean Edouard
Soava dia ry Sombiniaina
Hanohy fianarana any am-pita.
Milofosa, aza malaina.
Tsofin-drano ho tafita.
Mifankatiava, mahereza.
Hisy fakam-panahy sy adin-tsaina.
Firaisam-po no mampateza,
Vaha olana ilaina.
Hifanalavitra, eny, isika;
Hisy ny embona sy ny hanina.
Ny masoandro mibaliaka.
Dinihina ary koa tazanina.
Soava dia ry andrinay,
Reharehan-dreny, ray.
09/10 & 14/10/90 ho fahatsiarovana azy mirahavavy t@ andro niaingany ho any am-pita
Sokajy :
Fampaherezana
Mombamomba
Mpanoratra : Rajaonarison Jean Edouard
Nampiditra : sipagasyDaty : 05/11/2003
Mpamangy : 3159
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny fiainanaTrondro kely
Embona sy hanina