Trondro kely (Rajaonarison Jean Edouard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy trondro kely anankiroa.
Ny iray efa lehibebe tokoa,
Ny iray mbola kely,
Bitika toy ny angely.

Dia lasa izy roa nifanaraka
Tao anaty kamory malalaka.
Dia hoy ilay trondro vaventy
Tamin'ilay trondro kambity:
Tandremo, tandremo ry i Hoby,
Misy toetra tsy mba mahomby,
Dia ny fandrika ataon'ny olombelona:
Mamono fa tsy mba mamelona.
Koa raha izany àry hatramin'izao,
Ndeha hiaraka izaho sy anao,
Hifampitantana, hiara-dia
Ho mandrakizay doria.
Hifanampy, hifanohana hatrany
Raha mbola miaina eto an-tany.

Hofongorina ni disadisa,
Hatsangana ilay Paradsa
Eto amin'ity tany ity
Mba tena hanjakan'ny fitia.
Hofoanantsika ny tsindry hazo lena,
Ny fitsentsefana, fangoronan-karena,
Ny adim-poko atao saron-tava,
Nefa adiin-tsaranga mazava.
Mpitari-tolona tsy mila seza,
'Zany isika ka dia mahereza.
Ny vahoaka no niaviantsika,
Io no hassondrotra tsisy tomoka.
'Zay misakan-dalana am'izany
harodantsika ho lavo amin-tany.



Nosoratan'i dadanay ho anay mirahavavy ho an'ny faha 6 sy 4 taonanay.
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
2583 2
Mpakafy: lanto - sipagasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rajaonarison Jean Edouard
Nampiditra : sipagasy
Daty : 05/11/2003 21:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118