You are here: home > Vetso

ILAY LOLOKO - RAKOTONDRANARY Mampionona

Azo vakiana?

Lolo, voary mahavariana
Tsara tarehy sy mahasondriana.
Mambabo ny fo raha jerena.
Mahate ho tia, feno fahalemena

Ny vonikazo no tena tiany
Raozy mamelatra no faniriany.
Na dia singan'iray ihany aza.
Maharavo ny fony izay toa zaza

Raha samborina izy dia mandao.
Fa izy mila matoky anao.
Miverina kosa izy rehefa tia.
Ho eo atsandrinao ankavy.

Malefak'ery ny fijery azy.
Mivezivezy mamazivazy,
Ny akajony izay maroloko.
Voamaika koa mambabo ny foko.

Faly ery aho raha nofinidiny
Ka variana ny manodidina
Tsy ampoizina ny hita eto an-tany.
Amiko ilay Lolo no nahita mamy.







Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RAKOTONDRANARY Mampionona

Nampiditra : Poun
Daty : 02/08/2020
Mpamangy : 181
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

vavaka ho an'i "Neny"....
MANINA
tsiaro