Manjakamiadana (ramajik)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folo taona lasa izay
no nanaovana an-kasoparana
'lay hany mba fanananay
ny rovan'i Manjakamiadana

Tsy fantam-pihaviana akory
ireo nandrehitra ny afo
f'isika mbola resy tory
no efa montsana ny tafo

Tsy fantatr'antony hoe nahoana
tsy hay valiana koa indrisy
fa rindrina efa babangoana
no sisa tazana ny ampitso

Tsy ny vatanao ihany,
ny Hasinao indrindra koa
no niara-kila tamin'izany
rotidrotika sy lò

K'ankehitriny raha mahatsiaro
ilay fanangasanganao
raha mbola iny lavitr'iny
ny tenako sy 'reo hafa maro
dia velon-tsento, manganohano,
mahatsiaro tena ho tompon-tsiny
fa tsy eo intsony 'lay famantarana,
raha faniriany ny mba ho any,
E! tsy very ianao ranamana
fa eto Vohitsara ihany

Ramajika(Nov.95, notsiahivina Nov.05)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1009 0
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 07/11/2005 17:47)
tsara ilay tononkalonao ramajik a!ary tena marina tokoa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ramajik
Nampiditra : ramajik
Daty : 06/11/2005 16:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0437