Alina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alim-bolana manganohano
No tena ahenoina feom-biby an-tanety sy anaty rano
Toa mihira mandrotsirotsy
Zay ahitako tory anaty bodofotsy

Ny alin-kintana izay mazava
Mitaona ahy mba ho sahy
Ka misarika ny fo sy fanahy
Mba hijery azy lalandava

Mahagaga sy mahavariana tokoa
Ny endriky ny lanitran'ny alina
Ary mifono mistery ihany koa
No mifono hery lalina

Alina maha be rediredy sy renireny
Izay mitady hitondra aho an-keny
Saingy indrisy, fa mbola be rofy
Dia tsy azo atao,fa iainana anaty nofy

Ymamiah 9/06/2020
--------
Rohy:
163 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 06:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737