Aza enjehina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza enjehina aho fa mbola miaina ao anatin'ny tsy fisiana
Ekeko fa izay ny fiainana eto an-tany
Fa mba avelao aho hiainam-pifaliana
Sy hianto kely ny fijaliana sy ny tomany

Eny e, matoa moa misy ny fanenjehana
Dia mety ny natao sa ianao tsy mino?
Koa ny anao atao tsara na koa ketrehana
Dia mba mivavaha, ary ny finoana sikino

Ny fihetsikao dia efa maneho fankahalana
Tena manindrona ny fo ary tsy misy akitsetra
Ny fosanao, misy momba ahy mazàna
Sa? tsy haiko,mety ny aina no fetra

Efa ela no fatako izany, miampy ny masonao mangarika
Sy ny fihetsikao mingafy
Ny ozanao mitarika
Ary ny ompanao mifafy

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014