Fijaliana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno fijaliana
Ny fiainako mankadiry
Na any ampatoriana
Dia mahatsapa hirifiry

Feno fijaliana
Ny tena lasa simba
Dia tsy misy fitsikiana
Fa be mpanimbazimba

Feno fijaliana
Ny androko ankehitriny
Izay tsy afaka iafiana
Fa hanjakan’ny vahiny

Feno fijaliana
Ilay fitiavana hatrizay
Naha be fahoriana
Sy nampanondrika aho indray

Feno fijaliana
Ilay fitadiavana ny soa
Ny lamba tsy itafiana
Fa norovitiny avokoa

Feno fijaliana
Ilay hakany kely
Dia tsy nisy hamamiana
Fa nilaozan’ny tantely

Ymamiah 01/10/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
189 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0555