Kodiaran-tsarety (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miovaova sy mifandimby ny fiainana eto an-tany
Resy aho anio, fa rapitso ianao ambany
Ny fiainana anie kodiaran-tsarety e
Miodina foana na an-dalana na an-tanety
Mandeha moramora, tsy mijanona mihitsy
Omaly aho voatorotoro, fa anio hitsiky
Dia hizava tsikelikely ilay tandrifin-drahona
Ary ho lasa mamy, ilay ngidim-bahona
Izay nahatonga aho niaina, tao anaty ony
Dia hiarina amin'izay, hamonjy ilay ambony
Ianao anefa, manenjika sy migafy
Potehanao aho anio, fa rapitso manamafy
Satria aho tsy hanaiky, fa hiezaka mangina
Dia ianao hotaraiky, fa izaho hivoaka am-pitsikiana

Ymamiah 9/06/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
160 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste
Nampiditra : Ymamiah
Daty : 09/06/2023 06:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136