Ratram-po (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ratram-po isan’andro
No hiainana eto an-tany
Tsy mba misy raokandro
Mahasitrana izy izany

Vao mikisaka ny sengondra
Ka mitambatra ho minitra
Ny fo toy ny bomba
Ny saina mila hipanika

Ratra feno takim-pery
Sady mahamaivay
Ny tena tsy manan-kery
Fa toy ny mamon’ny divay

Ratram-po feno farasisa
Ka miandry izay hitranga
Fa ny hafa mody gisa
No sady mbola miapanga

Ratram-po mankarary
No mamingotra ny aina
Ny vava tsy matelim-bary
Ny fo karakaina

Ratram-po mampalemy
Mety mampandao ny tany
Ka tsy hekeny velively
Ny haharitra ela eto izany

Ymamiah 27/11/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.048