MAHANTRA IZY KANEFA... (Ramy Dia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio aho mahatsiaro ny zava-miseho,
Ka ankina mafy,tsy mahaloa-peo
Moa izy ity mba hanaitra ny maro,
Sa ireo tsy hisaina,tsy hahatsiaro?

Nahoana ny sasany no mifaly eny hatrany:
Toa tsy mba misento,toa tsy mitomany?
Ka izay rehetra iriany dia azony avokoa;
Na harena,na fitafy,na dia ny volana soa!

Koboniny ho azy ireo izay ananany,
Hahazoany voninahitra,hameloman'ny anarany
Hamenoany ireo banga rehetra ao anaty;
Tsy hahalasa eritreritra intsony mandra-maty
!
Kanefa tsy fantany fa misy any ho any
Ireo izay mijaly tsy misy fiafarany;
Mitalaho mafy fa sarotra ny ady
Atrehany anio,mampivarina an-kady

Izy ireo no antsoina hoe "mponin'ny lalana":
Tsy manan-kialofana,tsy misy varavarana.
Ny fitafiny aza moa zary rotidrotika,
Ka hovitra sisa no namany mpamotika

Ny sakafo etsy an-daniny efa tsizarizary;
Satria irony fako no ataony solom-bary
Hitazomany ny ainy tsy ho ritra sahady
Noho ity frahoriana sy olana mianjady.

Izany tokoa rehefa tsy misy mpihantr
Satria lazina fa maloto sy mahantra!
Ka na ny sakaiza aza nitodika ivoho,
Fa menatra hatrany ka tsy nihodi-doha!

Koa raha misy ny azo omena anio
Dia atolory am-pitiavana,ary ifalio;
Satria izy ireny dia toa anao ihany:
Mba te-hiaina hatrany ny soa sesy lany!

25 Mey 2012
--------
Rohy:
1166 1
Mpakafy: zembla
Hevitra mandeha
zembla ( 27/07/2012 14:16)
Mba tsara ve?
fabrice1995 ( 31/08/2012 20:13)
ten tsar msaotr eeeeeeeeeeee
zembla ( 01/09/2012 06:07)
tsy misy fisaorana tompoko!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramy Dia
Nampiditra : zembla
Daty : 27/07/2012 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134