"DIA NANGINA... !" (Ramy Rabefitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« DIA NANGINA… ! »


Dia nangina
‘lay Valiha fitendritendriko
io nahantoko io sahady
fa torotoro, tapa-tady :
mivalo-mainty ery ny endriko !
Zary sina
ny voahary manontolo :
‘lay “Mpampihira”, ‘lay mba namana
lasa tsy azoko notanana
noho ‘ty “Valihako” torotoro.
Dia nangina
‘lay hirako mba tsara feo
vao narindrako anikeheo.
Tsy eo an-drantsako eo intsony ny feony manga no hikoriana,
f’io an-daingon-tavako io, mipotrapotraka tsy miato
niova ho hiram-pahoriana
miloatra avy ato anatiko ato.
Ts’isy azoko anoharana,
izao angaha no fandaharana… !
E ! …’ty “Valihako” mpitanisa !
hahantoko eto an-doham-pandriako
hataoko solon’olon-tiako,
tsy sahiko natao kitay,
f’ireo «hira fahizay»
fikaloko ombieny ombieny,
izy no namoaka ireny :
Fahatsiarovana no sisa !!!


Ramy RABEFITIA
(tamin’ny 15 Novambra 1968)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1803 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramy Rabefitia
Nampiditra : mimalike
Daty : 22/05/2006 10:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134