You are here: home > Vetso

Ranomasina - Ramy Rabefitia

Ranomasina !
Manjepizepy… mainty, manga !
Mandefa Erika hifafy
‘lay onjany miantonta mafy.
Tsy mitony
Ny ao am-pony.
Misamboaravoara hatrany,
Miova tsy olona tomany
Olon-tiana tsy nitranga !

Ranomasina !
Lalina… mangeniheny !
Ny alon-drano misavoana,
Toa mbola tsy ho tody foana.
Iny indray,
Miolomay,
Misangy morona ‘zay tsy izy
Mampifaliavanja ankizy,
Eny an-tora-pasika eny.

Ranomasina !
Mimonomonona… midoboka !
Mampanembona am-panahy,
Manaitra fo hahatsiahy
‘Reo fahiny
Nivahiny,
Nantenaina sy nandrasana,
Hay tsy tody fa dia lasana
Nolovina ao… tsy zary vovoka.



Ramy-RABEFITIA
(Manakara-Sud, le 25/9/63)

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ramy Rabefitia

Nampiditra : mimalike
Daty : 23/05/2006
Mpamangy : 1189
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

NY RANOMASONAO
"HAFATRA MISASAKALINA...!"
" NY FAHATONGAVANAO "
" 28 MEY... "
"DIA NANGINA... !"