"HAFATRA MISASAKALINA...!" (Ramy Rabefitia)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“HAFATRA MISASAKALINA… !”


Ny afoko efa maty, ny jiroko efa lany,
ka iza loatra izany
mitsilo ny ati-tranoko amin’ny hiri-baravarana ?
Manao ankasomparana !
‘Lay torimasoko iny nisinda ho azy teo
ny tenako torovana hatramin’ny anikeheo !
Ho inony ary anefa ny hanairany ahy toy izao !
Mba iza loatra izao ?
Havana tratr’alina ? Sa olon-dratsy kosa ?
Handroba inona ato : ny kidoroko mololo,
ny akanjo lazon-tonta sa tsihy bobongolo ?
Ato angamba ataony fa hisy hare-miavosa ?

* * * * *

-“Hay hianao ry Volana ? Mamoha misasakalina !
Tianao ny ho namako hiombon-tsento amiko,
sa handatsa ahy noho izato ankaniko
sy fahoriana lalina ?
Mandroso ‘zatsy izy !
Vohay midanadana io varavarako io,
tandremo sao maratra : tsilo avokoa
eny an-tokotaniko eny,
tsy tantinao ireny.
Mandroso ‘zatsy izy !
‘Ty taratrao mazava, tomaratra, madio
sao feno arina eo amorom-patako eo :
etý ho etý mitoetra, etý an-doham-pandriako,
dia ho hitanao ny ondako, kotsan-dranomaso,
tsy mbola maina mantsy ny nitomaniako teo
alohan’ny hatoriako !
Hanontany hianao ?… Aoka aloha : andraso !
Diniho avokoa ‘zay hita ato an-tranoko :
io an-jorony io no mba fitoeran-dranoko,
siny tany tonta mitapitapin-tsavoka;
itsy ambonin’itsy antonta-na kitay,
sotro rimban’ila sy lovia iray.
Amorom-patana io ny vilany nongo;
‘ty ampofoiko ‘ty, bemiray mangavoka,
lamba firakofako, manolok’hoditra amiko.
Izay dia izay no amiko,
‘zay no mba fananako ato an-tranobongo !
Oay !… saika hadinoko itsy fanaovan-jiro tany,
Efa hatry ny ela ny solik’io no lany.
‘Ty itoeran-tsika kosa no hany mba fandriako
fandaniako ny alina
no sady fisetràko ny fahoriana lalina,
indraindray koa mba toerana ahitàko
ny alok’hasambarana
k’andramako hisantarana,
ao anaty nofinofy ny “fitia” ‘zay nihantàko !
Aoka fa ampy izay : ho voavinaninao
miaraka amin’izay ‘zao fahoriako ‘zao.
Miombo ny alaheloko, tsy ho vatranao jerena !
‘Ndeha ‘zatsy izy, f’efa dila ny ora,
“tafandria mandry” ! Ilaozy moramora
‘ty ankany mahonena.

* * * * *

Nefa…. etsy ange ! Ho aiza hianao izao ?
Dianao dia hody sa mbola hilalao
an-tsefa-drahona eny ? Raha toa tsy ho aiza
‘ndeha hianao hafarako : meteza ry sakaiza,
‘ndeha izany havako, ‘ndeha re fa maika !
Fantatrao i SAHONDRA ? Mifandraidraika
amin’ny taratrao mazava ny hodi-tavany,
mainty ngalingaly ‘zato vololavany !
Ny fitsikiny baliaka toy ny anao ihany ;
mandrimandry maso… malefaka fijery !
Ahatsiarovako azy ny fahitàko anao,
ka dia naleoko mihitsy, amin’ny ora toy izao
mikaton-trano irery.
‘Ndeha ‘zatsy izy ! Meteza hianao hirahiko
hankany aminy any : ontsa ny fanahiko !
- Ny toera-misy azy ?
- Trano maorimaorina, meva aok’izany,
voavoly voninkazo ny eo an-tokotany.
Ny ahafantarana azy ? – Foto-draozy mena
midoroboka famelana, eo am-baravarany.
Fantatra avy hatrany raha vao jerena.
Eo hianao mijoro, dia antsoy ny anarany.
Mety ho hitanao eo an-davarangana izy
amin’izao ora izao, oriory koa,
mandefa ny eritreriny hitodika hianatsimo.
Angamba hianao tsy hino
raha toa ka hilazàko fa mbola tia ahy izy,
tia dia tia tokoa !
ka miandry ny hiverenako !
Fantany hatry ny ela ny ditra nanenenako !
- Ô !… tsy mino mihitsy hianao ?
‘Ndeha ange tsapao :
lazao aminy avokoa ny amiko rehetra,
forony mihitsy aza, na tsy misy izany,
hoe : “’lay malalanao mihosina hatrany
amin-toetra tsy mahomby : ditra sy ny etsetra,
zava-poana ireny fifonana sy neniny… !”
Dia ho hitanao izay ho valin-teniny !
Raha afa-po hianao
dia lazao aminy :
“ao hoe ‘lay RAMY, malahelo anao,
manina ny ankaniny
ka sasatry ny miandry
ny andro hiverenany… tsy ho ela intsony akory !”
Aza tairina izy raha sendra ka matory,
fandrao ho simbanao ny nofinofy maminy.
Bitsiho mora hoe : “Tafandriamandry !”
Vimbino ho ahy avy any ny “fofomanitra” aminy
hofohiko maraina eo am-pifohazako,
hanànako hery vao
hiandrasako ny alina hiverenanao !!


Ramy RABEFITIA
(tamin’ny 18 Septambra 1973, teo amin’ny 11 ora sy sasany alina)
--------
Rohy:
3292 6
Hevitra mandeha
cooper ( 13/07/2006 12:05)
tsara ilay tononkalo, mahafinaritra avokoa ireo voambolana ampiasainy ao sady maontina.
toa tantara kely izany ilay izy.
mba tiako fantarina oe adiny firy no namoronana izao ?
pissoa ( 13/07/2006 16:49)
Waaaow - tsara be!!!
hery ( 22/07/2006 04:45)
Zah kou nankafy
JMR ( 05/08/2006 16:09)
Matotra be.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ramy Rabefitia
Nampiditra : mimalike
Daty : 13/07/2006 10:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095