You are here: home > Vetso

SATRIA MAVOMAVO - RANARTISTE

Azo vakiana?

Noherina ho tsy mendrika
ka dia voaendrikendrika
sy voatonotonona
teo amin'ny fiarahamonina
rehefa mavomavo.

dia noeritreretina
fa hoe mitondra aretina
fa tsy mahay madio
izany no re siosio

tsy mba nomena ny hasiny
afa-tsy ny toetra ratsiny
no hany mba nabaribary
tsy mba nisy mba nirary
ny hisandratany amin'ny avo
rehefa mavomavo

RANARTISTE

Hevitra mandeha

nambinelise (11/08/2018 08:08:16)

Milay letsy e,tohizo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : RANARTISTE

Nampiditra : narimanana
Daty : 16/07/2018
Mpamangy : 745
Mankafy : 2