Misaotra (Ranir-tsioharana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra
Izy tsitaraina
Na Dia nambakaina
Nasahiany tsy fahatao
Ny fahatokisany anao

Bitika tsisahy ny teny
Nararaotinao fahalemeny
Nolalaovinao ny fony
Noratsainao sainy
Alahelony tsy tony
Fa nofofoininao ny ainy

Ianao mba nanjainjana
No sa handatsakaina
Tiana nampahory
Fa Toa manorisory

Misaotra anao ny Zara
Misaotra anao nankahala
Misaotra anao ombienombieny
Misaotra anao ilay tsisahy niteny

Akaiky ny fo mpamarina ankady
Ilay antenaina ,Toa isoroka angady
Tsy anozona anao ny foko malemy
Fa isaotra anao ilay tsisahy ny teny

Misaotra anao ny Zara
Misaotra anao nankahala
Misaotra anao ombienombieny
Misaotra anao ilay tsisahy niteny
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
781 1
Mpakafy: lumire_infini
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 02/10/2020 14:36)
izy tsitaraina = izy tsy hitaraina
nasahiany ny fahatao = tsy dia mazava!!!
tsisahy = tsy sahy
Ianao mba nanjainjana = nandrandraina
No sa handatsakaina = no sahy handratsak(a)'aina
Tiana nampahory = mila mazava : "tena nampahory" angamba no tianao tenenina e?
Nararaotinao = Nohararaotinao
Noratsainao = Noratrainao (ftt= ratra)
nofofoninao = nofofoinao => nofofoninao = matoanteny hoe mamofona, foto-teny = fofona
nofofoina = matoanteny mifofo, foto-teny fofo
tsara fa tohizo ary o! fa mila mamaky boky kely amin'ilay tsipelina diso be loatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ranir-tsioharana
Nampiditra : lumire_infini
Daty : 30/09/2020 14:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136