Madagasikara (Rasoa M)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany foana no ao am-bava
Ratsy ve sa tsara
Ilay Madagasikara
Ilay tany fihaviana
Tanindrazana izay tiana

Tsy entam-barotra tsy akory
Ilay nosy tanindrazantsika
Fa tany iray mitoetra
Miandry antsika rehetra

Ilay fiteny malagasy
Ahafahana milaza
N'inona n'inona ambara
Na am-bava na an-tsoratra
Dia teny mamy tsara hafatra

N'aiza n'aiza misy anao
Raha mbola Malagasy ihany
Dia tsarovy fa izao
Miandry anao ao ilay Tany

Ary aza miandry sy mangataka
Izay mba azony omena
Fa ianao no mitondrĂ 
Izay mba azonao ekena
Ahafahanao milaza tsara
Fa tianao i Madagasikara

Hadinoy izao rehetra izao
Azonao atao
Alaviro izay tsy tiana
Fa ny tanindrazanao
Aza avelanao mangina.

Rasoa M
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
3201 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasoa M
Nampiditra : rasoambola
Daty : 24/03/2004 12:30
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097