IREO MPIVADY (Ratax)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony vao nanorina azy,
Nifanaraka tokoa.
Fa izany hoe mpivady,
Dia tsy hialàna adiady.

Tsy izany no nitranga,
Rehefa tena sarompiaro.
Mety iny fony efa jamba,
No nanosika azy ijangajanga.

Tsy voasakana ny dina,
Izay natao hifamehezana.
Ny fisarahana amin'tiana,
Na dia tsy io no faniriana.

Tsy mba zaza velively,
No hanakana izany,
Na koa hoe ireo Ray aman'dReny.
Fa ny toetra irery ihany.

Na dia ilofo mafy ianao,
Itaiza ny fifankatiavana.
Ho zava-poana izay atao,
Raha ny Tompo no mandao.

Izany vady tsy mba ady,
Fa fandeferana no herany.
'Lay hasambarana fitady,
No haren'nareo mpivady.

Ratax...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Embona
234 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ratax
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 14/08/2023 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014