MISAOTRA (Ratax)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaorak'Ilay Andriamanitra,
Nanome ahy fo mba hitempo.
Tsy ho voavaliko izany raha ny marina!
Ka aleo aho mba iventsoventso.

Io fo io tokoa ry zareo an!
Dia tsy fantatra izay mba fiheviny.
Tsy mba ita na hoe rehy feo,
Fa fitiavana ihany no reviny.

Isaorako anao ry Malala,
Fa namoha izany fitiavako.
No tsilovinao tamin'fanala!
Ka mazava ho anao re rahavako.

Misaotra anareo ry sakaiza,
Nahalala ny tena kilemako!
Misaotra fa nahay nitaiza
Nahitako koa ny lalan-kalehako.

Ianareo izay manenjika anah,
Aza kivy, aza ketraka koa.
F'isedrako ilay fakam-panahy,
Irosoako amin'ny tsara kokoa.

Ho anao izay mitady asambarana,
Ny fiainana aza asarotina.
Mitadiava ny soa fianatra
Fa fiaino ny fo sy ny sofina.

Ratax...
--------
Rohy:
212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ratax
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 14/08/2023 07:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136