MIFONA (Ratax)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô!
Mifona aminao aho fa very fanahy,
Tsy voatohitro intsony ireo fakampanahy,
Hatr'izay hatry ny ela aho nanao mafy fo,
Ankehitriny aho mivalo tsy hanao manin'dro.

Dada ô!
Raha nananatra ianao nataoko andamosina,
Raha niteny ihany koa za nanao mafy sofina.
Raha nikapoka ianao tsy nampiova ny saiko,
Mifona aho anefa fa ny ditra tsy ilaiko.

Neny ô!
Honena ny fo raha itodiana ny lasa,
Tsy mba zaza mpankato, ary tena hafahafa.
Tena vitanay ry neny ny namalivaly anao,
Tsapako tokoa izany raiso re rah sitrakao.

Malala ô!
Mifona aho re ry lala fa nanao ny izany ratsy!
Ireo adidy izay tsy vita dia honerako atsy ho atsy.
Tsy mba sangy anefa ireny fa de tena sitra-po,
Hanao ny mendrika aho izao fa ts hanao kitoatoa.

Zandry a!
Mialatsiny aho ka miteny izay mba vetsovetsom-poko,
Fa nanao tsindritsindry ka nandratra ambo-poko.
Maro loatra rah lazaina ny ady ady les zandry,
Ekeko koa fa nandainga ka mifona miangavy.

Zoky ô!
Toa sadaikatra ny lela itanisa ny adalana,
Nefa enao zoky foana ts nanisy fahabangana.
Teny tokana ilaina,
Dia zoky be natao hajaina..
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Alahelo
468 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ratax
Nampiditra : Ratax Alpha
Daty : 25/08/2022 13:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095