You are here: home > Vetso

KINANJO INONA TOKOA! - Ravelojaona

Azo vakiana?

Izay faniriana tato anaty,
Toa lasa hira lany daty,
Lefy laza, tsy heno ako,
Very an-javona, toa fako.

Nanan-kevitra ny hiova,
Sao mantsy idiran-doza,
@ izato fahazarana,
ny manao hitsin-dàlana.

Milaza foana hoe : mifona,
Kinanjo ampitso dia mirona,
Endrey mamerina indray,
Toa zaza tsy mba mety fay.

Dia mandini-tena sisa,
Misaina sy mamisavisa :
« Fa azon’inona no tsy afaka,
t@ izay nahasolafaka ?”

Aleo mihitsy tsy miteny,
Milokaloka toy ireny,
Aleo tsy entanim-pahamehana,
Ny lasa mantsy tsy hita enjehina.

Izay kokoa no mampitandrina,
Ho toy ny soratra eo an-kandrina,
Fa misy tokony hiezahana,
Ahatsara fiarahana.


Ravelojaona (15/01/03)

Sokajy : Ady, Fiainana, Fitiavana

Hevitra mandeha

sahia (15/06/2016 11:52:59)

marina zany e

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ravelojaona

Nampiditra : tsimanontanilahy
Daty : 26/06/2006
Mpamangy : 1233
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

RAHA SENDRA SAROTRA
TSY HOHADINOIKO
Taranaka Mahefa