RAHA SENDRA SAROTRA - Ravelojaona
Azo vakiana?
Raha henjana ny làlana,
Mideza sady lavitra,
Mampiravy tànana,
Tsy maha-te hiaritra,
Dia izao no ‘ndeha hatao:
Ataovy indray mijery,
Tsy hijanonan’ela izay hoe mbola hizorana,
Ka diavo tsy an-kiteny,
Tsy an-kisaina akory izay mety ho ranon’orana.
Mandehàna, aza mihemotra,
Fa aza mba fanao ny resy tsy miady
Ny saina no aoka ho hentitra,
Hoe: natao hahita izay vonona hitady.
Avelao ny omaly,
Itsikio ny anio, antenao ny ampitso,
Izay no aoka hamaly,
Ny mety ho fanahiana sy fiheveran-diso
Raha misy tany hay,
Makina fa tsy maintsy natao holalovana,
Ho avy aorian’izay,
Ny igoha-ranon’aina ho tambi-pahatsiarovana.
Ravelojaona, Desambra 2002
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ravelojaona
Nampiditra : tsimanontanilahyDaty : 26/06/2006
Mpamangy : 1418
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY HOHADINOIKOKINANJO INONA TOKOA!
Taranaka Mahefa