You are here: home > Vetso

Taranaka Mahefa - Ravelojaona

Mahazo mandry ivohon'ny vato,
Ireo havana efa lasana,
Fa ny talentany tsy niato,
Na voatelin'ito fasana,

Ny solofo sy ny dimby,
No indro fa mamelo-maso,
Mivonona sy misafidy,
Hanoratra tsy misy andraso,

Mahazo mandry ivohon'ny vato,
Fa ny haisoratra tsy ho faty,
Ka na ho vy io na ho vato,
Tsy ho resy ny efa anaty,

Ho an'ireo izay mbola velona,
Ny fifaliany no miantefa,
Amin-janaka voatenona,
Ny taranaka "Mahefa",

Mahazo mandry ivohon'ny vato,
Fa efa tò ny faniriana,
Tsy ho ritra ato ho ato,
Ny ranomainty mikoriana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Ravelojaona

Nampiditra : tsimanontanilahy
Daty : 09/05/2006
Mpamangy : 1325
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAHA SENDRA SAROTRA
TSY HOHADINOIKO
KINANJO INONA TOKOA!