You are here: home > Vetso

Voady - Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric

Azo vakiana?

         ♥♥♥«voady»♥♥♥

Ny  voady  izay  lazaina
Dia  vokatry ny  fo
Sy  masaka  ao  an-tsaina
Ilay  nifaneken'olon-droa

    Ny  fitiavana  ombieny ombieny
    Fa  tsy  hifandratra
    No  atao  am-betinteny
    Fa  izay  no  mahafinaritra

        Dia  samy  milaza  ny  am-po
        Fa  izaho sy  ianao  hiara-dia
        Ka  samy  manambara  izany  tokoa
        Ka  tena  hiombona  fitia

Dia  mangataka  tso-drano
Amin'ireo  Ray  aman-dReny
Fa  hanorina  tokantrano
Ny  tanjona  kendrena

     Tsy  ho  nofy  intsony  izao
     Ilay  fitiavan-tsika  roa
     Amin'ny  andro  voalohany
     Sady  tamin'ny  fomba  vaovao



Nanoratra   Razafimanantsoa Lantoson  Andry  Eric
Nom  sur  fb  Mahery  Ralandimanana
Telephone  +261340508737
                     +261334556075
Misaotra  antsika  rehetra  Tompoko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric


Nampiditra : lantoandryeric
Daty : 17/06/2019
Mpamangy : 251
Mankafy : 0