MANOVA (RF Ravakiniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANOVA

Dieny mbola ts'isy fatotra
Dieny mbola ts'isy geja
Raha fiarahana tsy matotra
Aza manefy rohy tsy hateza

Dieny mbola ts'isy ratra
Dieny mbola ts'isy folaka
Raha efa tsapa fa tsy zaka
(Dia) aleo hiakatra ny soratra

Dieny mbola ts'isy antoka
Dieny mbola ts'isy vina
Raha efa hita fa hidaboka
(Dia) aleo mamadika ny dina

Dieny mbola ts'isy taiza
Dieny mbola maitso volo
Raha efa hita fa tsy hankaiza
(Dia) aleo manova ny tontolo
...
Pejy hafa indray

RF RAVAKINIAINA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
76 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RF Ravakiniaina
Nampiditra : RF_Ravakiniaina
Daty : 18/02/2024 17:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135