FIKOMIANA (RF Ravakiniaina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handrafeto fo maranitra aho
Hanamboarako toetra
Hanampi-maso, tsy hitsetra
Ireto nampizaka ny sedra

Handrafeto fo maranitra aho
Hamonoako fandeferana
Hamerenako amin’ny toerany
Ireo mihevi-tena ho fanaperana

Handrafeto fo maranitra aho
Hikomiako am-paharatsiana
Hisoloako vaika ireo mangina
Mba hanoherako ny fandrabiana

Handrafeto fo maranitra aho
Handrangitako ny sainy
Ny sain’izay zatra manitsaka
Manitsaka sy andevom-pitaka


RF Ravakiniaina
--------
Rohy:
409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RF Ravakiniaina
Nampiditra : RF_Ravakiniaina
Daty : 22/08/2020 16:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136