VETSO (RF Ravakiniaina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSO

Manonja mafy sy mifaoka
Ny donam-pitiavana anao
Manonja mafy mampitroatra
Ny herim-pitia anatiko ao

Toa mifatotra aminao
Nigiazana tsy hay vahàna
Vonton-tsento t’anilanao
Ka tsy vintan-jovy hoalàna

Misaina anao segondra fohy
Toa andro zatom-panembonana
Segondra vitsy tiako hatohy
Ho taona maro hifanatonana

Mandoro nefa tsy haiko hialàna
Misokitra ahy tsy hisintaka
Ka tiako hasiana fiafaràna
Ilay mba sitrakao sy sitrako

Minitranao tsy mba minitrako
F’efa tsinjoko ny any am-para
Ny tsikinao no efa anofisako
Ny voady ambony alitara

RF Ravakiniaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
608 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RF Ravakiniaina
Nampiditra : RF_Ravakiniaina
Daty : 15/08/2019 03:05
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148