RAKITRA - R.H.A. Nary
Azo vakiana?
Marina letsy
fa tena ilaina ny vola sy harena
kanefa tsy mety
raha izy no avela hanandevo ny tena
Ny fiainana an-tany
dia tsy mba ilaozan'ny fakam-panahy
fa toavy hatrany
Ny baikon'ny Masina anatin'ialahy.
Mahaiza mitia
fa ho fatiantoka tsy hita avanavana
raha niaina tety
kanefa tsy nanana raki-pitiavana.
Mitozoa hatrany
amin'ny fanampiana ireo faraidiny
fa indray andro any
ho takatr'ialahy ny hasarobidiny.
Nary Njato
Bovambra 1988
Sokajy :
Fampaherezana
Mombamomba
Mpanoratra : R.H.A. Nary
Nampiditra : rakarokaDaty : 30/04/2008
Mpamangy : 1410
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSATSOFIFANENANA
Namana (atolotra ho an'ny namana rehetra)