EKEKO (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapanao ve ny asam-peniko fa tsy mba tononkalo
Ny fihorenam-poko aza, ny ankamarony tsy mazava
Dia monaina teo Ianao ka niato tsy nibada
Navadikao lay pejy feno sento mampimalo

Tsikaritrao reo hadisoako tamin’ny fampitana hevitra
Ny voan-teny norafetiko tsy namoha ny maha – gasy
Dia monaina teo Ianao ka niritona any an’efitra
Nikatsaka ny tsara, tena niova lasy

Nefa hoy aho : alahelo ireny, tena ranomasoko
Sompatra nandemy ny lafatry ny fiainako
Raha monaina teto Ianao aza mihaino ny andrasoko
Fa mpiantsehatra efa resy aho, iza moa no itarainako
--------
Rohy:
1042 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : RHAd
Daty : 08/06/2011 16:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107