INY HAFATRO INY (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inty misy hafatra ambarako anao eh
Ry taratra hody
Izy hono hoe tia tena tia
Fa tsy mety tafody
Fantaro any anie, raha am-pony mitempo
Lay dina natao
Raha toa ka indrisy.. mba ento anilan’ny fony
Zao tomaniko zao

Ny mason’ny alina no sisa hampihiratako
Hitazana lavitra
Fiondan’ny ako am-pony, raha manina
Ho afaka handrafitra
Kalom-pitiavana ho menaky ny andro
Manomban-ko alina
Sy hambomba tontolo tsy maty masoandro
Edena raha oharina
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : Rhad
Daty : 07/06/2011 09:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015