MELOKA AHO - RHAd
Azo vakiana?
Andrimanitra ô! Hifonako
Fa maina hatramin’ny telindrorako
Eto am-pikiràna reny andro lasako
Ka na Noely aza anio dia
Tsy haiko ny mifantina
Tonom-bavaka, hanadio
Reto haratsiako efa mantsina
Andriamanitra ô! Nanenenako
Fa tao ny lela sy ny vavako
Nanekena sy nandavako
Reo sitra-ponao Ray Mpahary
Fa teo ny saiko amam-panahy
Niziriziry sy nandà
Tsy hanoha ny didinao Mpiahy
Andrimanitra ô! Vonjeo
Ka mba omeo noely aho
Ho tokim-piavotako sy
Handevona ny otako
Ka ny andro rehetra sisa
Hanompo Anao aho fa tsy haditra
Ho mpakato Anao kokoa
Mombamomba
Mpanoratra : RHAd

Nampiditra : Rhad
Daty : 08/06/2011
Mpamangy : 1408
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY MALALA !NY TANTARAKO
RESIN'NY TIANA
RAIKI-PITIA
VOADY
Faran'ny Noely
V I T A
ART D'AILLEURS
L’ENTRAVE
SI MON CŒUR