MILA FANAMPIANA (RHAd)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izahao fiononana ny foko re roy
Hikosoka ratra nolariny omaly
Antsoiko zay hery afaka hanohina
Tongava, faingàna fa ory aho… mijaly

Ny foko efa lotika misentosento
Ny voaharin’ny rehetra nivelin-ko faty
Kopahiko hanampy ahy ny alina teto
Kinanjo nanonitra fo, maharary

Nefa antenaiko ny hisy fanafana
Amin’izao hhalovany tsy hita ho ferana
Angamba raha tsiaro sy sento no miafana
Dia ho tony ny ratra hampangina fitserana
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
903 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RHAd
Nampiditra : Rhad
Daty : 07/06/2011 09:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146